[CA] NY FAHORIAN'NY SASANY FIFALIAN'NY SASANY
Listen now
Description
Masiaka sy ratsy fanahy ny olombelona. Raha misy olona manana fahoriana na misedra zava tsarotra eo amin'ny fiainany dia misy olona mikaroka sy misikotra ny anton'iny toy ny misikotra parasy ka tsy amelany raha tsy ahitany irika hahafahany mitsingoloka amin'izany mba hanalany ny stress sy frustration sy ny ngidin'ny afero amin'ny fiainany. Anisan'izany isika Malagasy hany ka tsy mahay manaja ny fisaonan'ny olona intsony fa sanatria toy ny VAUTOUR, zara aza misy faty hitangoronana hanaovana resaka hanampiana ny fahorian'ilay olona sy handetehana azy. Ohatra amin'izany izao ilay fahafatesan'ny vadin'ilay Pasteur malaza iray Marcello iny izay ahitana taratra ny tena toetran'ny kristiana.
More Episodes
Tsy mahamenatra na mampatahotra ahy ny miantsoantso mandrakariva fa ny taranaka ankehitriny dia vavolombelon'ny "fin d'un cycle de vie" n'nyFiangonana. Izaho dia tsy mihambahamba mihitsy fa ny INSTITUTIONALISATION vokatry ny cléricalisme no fositra naha lasa "coquille vide" ny Fiangonana...
Published 11/01/24
Fanontaniana miverimberina fametraky ny olona nyhoe : ny fahotana ve lovaina sa mifindra manaranaka ? Raha i Adama sy Eva no nanao ny nataony dia izahay aty afara ve no mizaka ny tsy eran'ny aina ? Mba rariny ve hoe Adama no nanota dia isika no mibaby ny vokany ? Lalim-paka loatra ny...
Published 10/25/24