[HP] NY HO AVIN'NY FIANGONANA ?
Listen now
Description
Tsy mahamenatra na mampatahotra ahy ny miantsoantso mandrakariva fa ny taranaka ankehitriny dia vavolombelon'ny "fin d'un cycle de vie" n'nyFiangonana. Izaho dia tsy mihambahamba mihitsy fa ny INSTITUTIONALISATION vokatry ny cléricalisme no fositra naha lasa "coquille vide" ny Fiangonana ankehitriny ka na dia mijoalajoala sy mameno stade sns aza izy ireny dia KIPANTSONA VARAHINA MANENO sisa. Mahatsara zavatra anefa izany fa raha tsy levona ny voambary tsy hahavokatra izy. Mialoha ny hahaterahan'ny zazakely iray dia tsy maintsy mandalo fanaintainana mafy. Eo amin'izay "phase" , izay mihitsy ny fahitako ny zava misy ankehitriny.
More Episodes
Fanontaniana miverimberina fametraky ny olona nyhoe : ny fahotana ve lovaina sa mifindra manaranaka ? Raha i Adama sy Eva no nanao ny nataony dia izahay aty afara ve no mizaka ny tsy eran'ny aina ? Mba rariny ve hoe Adama no nanota dia isika no mibaby ny vokany ? Lalim-paka loatra ny...
Published 10/25/24
Matoa nisy izany REFORME DEUTERONOMIQUE nataon'i Mpanjaka Josia izany dia satria mbola namofompofona SYNCRETISME (fampifangaroana finoana roa samihafa tsy afaka mikambana mihitsy). Sarotiny ery isika mampianatra ny Didy voalohany , nefa eo anivon' ireo olona heverina fa sarotiny ny amin'izany...
Published 09/27/24