Description
Matoa nisy izany REFORME DEUTERONOMIQUE nataon'i Mpanjaka Josia izany dia satria mbola namofompofona SYNCRETISME (fampifangaroana finoana roa samihafa tsy afaka mikambana mihitsy).
Sarotiny ery isika mampianatra ny Didy voalohany , nefa eo anivon' ireo olona heverina fa sarotiny ny amin'izany indrindra no mbola TENA mampifangaro zavatra izay tena tsy AFAKA NY HIFANGARO mihitsy.
Koa eto dia ialanay tsiny mialoha sahady fa na dia œcuménique aza aho dia tsy afaka hi- cautionné zavatra izay TSY AZO EKENA mihitsy. Ary toy izany koa na dia TENA ZANAKY FIFOHAZANA koa aza aho dia tsy afaka ny hangina fotsiny koa amin'ny fombafomba lokoina ho mistery nefa mbola tena fara sisana finoanoam poana.